You are here: home > Vetso

Koloy fa kanto - Rold

Azo vakiana?

   KOLOY FA KANTO

Ny teny no lovako
Ny tany no harenako
Raha very ny teniko
Dia potika ny taniko

Lovako, andrianiko ny teniko
Harenako, soaviko ny taniko
Ny teny sy ny taniko koloiko
Fa kanto ka tsy foiko

Ka hoy aho hoe:

Gasy aho, gasy ianao
Miteny gasy aho, miteny gasy ianao
Gasy Ray, gasy Reny
Koloy àry fa kanto re ity ny teny.


RAZAFINDRAZAKA Andrianaivo Rolland (Rold)
14/11/2006 Anosibe Ambohibarikely.
Finday: 033 07 979 75

Hametraka hevitra

Midira aloha