Ianao no hany tiako (Rold)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
IANAO NO HANY TIAKO

Ianao no hany tiako
Tena tiako, ka iriako
Mba ho fitia lamban’akoho
‘Lay ho fitiavantsika roa

Fitia tokana aman-tany
Tsy ho ritra, tsy holany
Ho fitia mifato-maty
Hoentintsika mandra-maty

Sambatra aho re ry aiko
Mitory mafy ity fitia
Tretrika e ity saiko
Raha toa ianao ka mba tia

Ka raiso re rahavako
Izato mba fitiavako
Tsy fitia imolotra
Fa ny fo no atolotra

Valio re raha sitrakao
Ity vava mitalaho
Ekeo re raha azo atao
Ny fo mitia no mila anao

Enga anie ka ho eny
‘Zay entinao ho valin-teny
Sanatria mba tsy ho tsia
Ka hahamomoka fitia


RAZAFINDRAZAKA Rolland (Rold)
(30 Aprily 2008 Ambohibarikely)
Finday: 033 07 979 75
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
31979 4
Hevitra mandeha
sarobidy ( 07/04/2009 10:44)
Fitoriana fitiavana re zao tena mafonja mihitsy
finoanas ( 07/03/2013 07:05)
na izany aza ilaina ny ambo_po
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0145