Ry vady malalako (Rold)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ry vady malalako

Ry vady malala tsy foiko
Ianao no fanalahidin'ny foko
Ka na iza hanatsatso na iza hanakiana
Ny fitiavako anao tsy mba ho lo
Satria vita hataka teo anatrehan'ny fianakaviana
sy lasam-bodiondry ihany koa

Ry vady malala tsy foiko
Ianao no efa nomeko ny foko
Na maro aza ireo akanga tsara soratra
Tsy atakaloko anao akoho tamana an-trano
Satria ianao no efa voasoratra
Ho ravak'ity tokantrano

Ry vady malala Lalaina
Ianao no efa nandrian'ny saina
Ka na inon-kidona na inon-kianjady
Na ratsy na tsara ny fizotry ny tantara
Izaho sy ianao efa nivoady
Ary nianiana tambony alitara

RAZAFINDRAZAKA Andrianaivo Rollnd
(Rold)
02novambra 2007 Ambohibarikely
Finday: 033 07 979 75
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
3038 1
Mpakafy: Rold
Hevitra mandeha
rafilozofy ( 22/07/2008 07:25)
Tsara be ny tononkalonao an; ka enga anie tsy ho am-bava na an-tsoratra fa tena vokatry ny fo tokoa (mba ho fidel foana e) sa ahona? Mirary soa ho an'izay olon-tianao ary e
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0121