You are here: home > Vetso

Ry zanako - Rold

Azo vakiana?

RY ZANAKO

Ianao ilay tsirin’ny aiko
Hobeaziko hotaizaiko
Mba ho solofo, dimbin-tsaiko

Antsoro hihoa-bero manga
Hotaizaiko hatrany tsy ho janga
Mba hanjary tena lasa olo-manga

Ianao ry zanako malala
No ho solofo dimbin’ala
Asandratonao ity Gasikara

Ianao no zanako, ianao ry Fy
Dia mijoroa ka mba sahia
Mba ho reharehan-tany ety.

Razafindrazaka Rolland (Rold)
25 jolay 2008 Ambohibarikely
finday: 033 07 979 75

Sokajy : Fianakaviana

Hametraka hevitra

Midira aloha