You are here: home > Vetso

Taranak'i RATIARAY - Rold

Azo vakiana?

Taranak’ i RATIARAY

Indreto izahay
Taranak’i Ratiaray
Omaly, anio, mandrakizay
Dia ladina iray

Vonona sy sahy
Ny zafin’i Ratiaray
Ka ny fo, saina, vatana, fanahy
Mitambatra ho iray

Ratiaray,
Taranany izahay
Ratiaray,
No razambeanay

Mijoro izahay
Taranak’i Ratiaray
Hifanampy, hifanasoa ‘zahay
Mba ho voninahitray

Indreto izahay
Taranak'i Ratiaray
Enga anie ka hotahian’Ilay
Andriamanitra Ray

Taranaka miray
Tsy misaraka mandrakizay
Ny taranak'i RATIARAY

Razafindrazaka Andrianaivo Rolland (Rold)
12 jona 2008 Ambohibarikely
Finday: 033 07 979 75

Sokajy : Fianakaviana

Hametraka hevitra

Midira aloha