FITIAVAN'I NENY (Rolly Casimir)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
FITIAVAN'I NENY.....

Zandry a!
Tsy sasatra aho mananatra sy miteniteny
Fa sarobidy loatra ny fananana an'i Neny
Tokana aman-tany io ka hajao sy ankatoavy
Impiry efa torovana io dia impiry efa nanavy
Fa....tsy tiany ho fantatrao
....
Fa sombiniainy ianao dia....
Tsy nahalalany vizana na inona adim-piainana
Tsy nahoany akory izay ratram-panaintainana
Sy jaly mankadiry sedrainy am-po mangina
Tsy tiany ho hitanao ny soritr'hakiviana
Rehefa izy rera-tsaina
.......
Tsy mba nitaraina izy
Na inona fanonjan'ny tolona niadiany
Maminy, hono, ianao ary sombiniainy tiany
Ka..ny fahasambaranao no fenitra tratrariny
Tsy nilany tambiny na niandrandrana valiny
Fa....nataony tsotra izao
.....
Nefa.....tanora zao ianao dia....
Tsy laitrany tenenina sy bebe famaliana
Io fa be kizintina sy tia maniratsira
Lasa tia mandainga, manafina amin'i Neny
Efa nolalovany ireny rehetra ireny
Ka......tsapany daholo
.....
Voadikanao tontolo
Izay anatra rehetra nomeny hatramin'izay
Mandrotika ny fony ny ditranao indraindray
Saingy,......maditrany hono ianao dia tafiany lamba foana
Mbola manantena izy fa ho avy ny fotoana
Ianao ho hendry ihany
.....
Saino ihany zandry a!
Ampinga volamena io reny tokana io
Nitondra sivy volana izy, izay no tadidio
Voasotron'io daholo hatramin'ny rano izay tsy tiany
"Ianao ho reharehany..."izay no mba takiany
Sy antom-pahasambarany


✓Rolly Casimir✓

"Ny tena soldat, maty izay vao resy"
--------
Rohy:
197 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1189