MAHANTRA (Rolly Casimir)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MAHANTRA...Eny e...
Izaho anie manaiky fa isika tsy niady e!
Izaho koa manaiky fa efa nivoady
Tsy hisaraka aminao na inona mitranga
Saingy, fantatrao mazava ny savika saranga
Nataon'ny havanao
.....
Izaho tsy te handao, saingy....
Tafahoatra fatra ny ngidy efa nateliko
Impiry tantaraiko ary impiry efa naveriko
Ny latsa sy ny eso nataon'ny havanao:
"Tsy mba fanambady ny olona ohatra izao
Fa...mavo sy mahantra"
.....
Impiry aho no naratra,
Dia impiry no nalilo fa niniako tsy naboraka
Saingy,...feno loatra ny kapoaka ka nitobaka
Ary tsy azoko noraofina fa rano efa niraraka
Anio no fetra farany,...anio no ho tafasaraka
Ny foko sy ny anao
....
Dia...teneno ny havanao fa...
Manaiky, hono, izy hoe fa mavo mahantra
Ambany tsy sahazan'ny zanaky ny tafa
Avoko tsy sahazan'ny tavim-boninkazo
Ahi-dratsy maina, mavo sy malazo
Eny an-tany karakaina
.....
Sinaingy ataovy an-tsaina fa....
Mavo sy mahantra tsy mila fangorahana
Fa matoa ianao nafoiko niniako nisarahana
Dia....tiako mba ho hitan'izao tontolo izao
F'izahay na dia mahantra, tsy akory hitalaho
Hotiavina na oviana
....
Veloma sy masina e!
Mitiava dia sambara eo ambonin'ny harena
Mirary soa sahady hoan'ny lapa volamena
Rakotra tantely sy volabe am-bata
Mitso-drano anao ilay mavo sy mahantra
Tsy tian'ny havanao
✓Rolly Casimir✓
"Ny tena solda, maty izay vao resy"
--------
Rohy:
Sokajy :
Fisarahana - Embona - Fahatsiarovana - Fananarana - Fiaraha-monina - Alahelo - Eritreritra mandalo - Fiainana - Aingam-panahy - Fitiavana
Mpakafy:
hery