You are here: home > Vetso

AM-PAHANGINANA ("Sans bruit") - Ryana

Azo vakiana?

AM-PAHANGINANA

Noforonony daholo izao rehetra izao
Handresy lahatra azy,
Fa hoe ny anjara fiainany, diaviny hatrizao,
Tsy hoe helo na hoe sazy;
Ny hany hoe madilana, eny an-tsefatsefany eny,
Dia toa manaloka, mibahana
Ireny tovovavy soa, miendrika anjely,
Mitady anao mba ho namana;
Efa hainy izay ho tohiny,
Nefa hatreto aloha,
Aleony akombony ny molony…
    Tam-pahanginana,
    Namadika azy ianao;
    Tam-pahanginana,
    Niverina aminy ihany ianao;
    Niventy sy nilaza
    Fa izy irery ihany
    No tianao, hany sahaza;
    Ny fiainana, hoy ianao, mivadika, miova;
    Ary tam-pahanginana
    Nandriaka ny ranomasony, nandroatra sy nanonja!

Impiry izy no nikasa ny handao, hikopak’elatra,
Satria tiany hofantarina,
Hoe nahoana no zary maina ny raozy kanto vao hivelatra
… Tsy hainy mba takarina!
Impiry izy no nanonofy fiainana vaovao
Rehefa somambisamby ny andro;
Saingy ireny fikasàny dia toy ny zavona mandao
Raha vao misandratra andro
    Am-pahanginana
    Mamitaka azy ianao;
    Am-pahanginana
    Miverina aminy ihany ianao,
    Miventy sy milaza
    Fa izy irery ihany
    No tianao, hany sahaza;
    Ny fiainana, hoy ianao, sinangin’ny lonjony;
    Ary tam-pahanginana
    Mitritra sy maratra, rotika ny ati-fony!

Efa tanaty vinavinany ny hoe hamoy fo,
Fa toa tsy tambo ity mihatra;
Saingy aleony miharitra, mamehy sy mampitraka loha,
Mizaka ihany koa ny latsa;
Ny hatreto sy ny ho aviny izay hotantarainy amin’ny hafa,
Tsy misy na ny alokao;
Ny aminao efa navalony, efa dila sy voafafa,
Tody no nantsoiny ho anao!
    Am-pahanginana
    Hamadika anao izy;
    Am-pahanginana
    Hiverina ihany izy,
    Hanozona ity efi-trano
    Izay vantaniny, efa foana…
    Ny fiainana, indraindray, mamotika, mandrava,
    Ary am-pahanginana
    Ny ambin’andro sisa tavela… mikoro sy mivava!

Ryana
02/04/08
(Nadika avy tamin’ny “Sans bruit” - Patrick Fiori)


Hevitra mandeha

pissoa (05/04/2008 00:00:06)

Miala satroka e !!!

Ryana (06/04/2008 10:44:50)

Mankasitraka amin'ny fandalovana Pissoa â!

pato (22/05/2008 07:52:27)

tsara

Ryana (22/05/2008 09:07:01)

Misaotra an'i Pato nandalo!

Hametraka hevitra

Midira aloha