FA NAHOANA (Ryana)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
FA NAHOANA

Raha mba fantatro mialoha
Ny anjara fahoriana izay tsy maintsy hozakaiko,
Ny anjara fanaintainako;
Raha mba fantatro ihany koa
Vaingan-dranomaso firy no hiboika avy amin'ny aiko
Hanaloka ireo marainako...

Raha mba fantatro eny mantsy
Ny setrasetra sy ireo fitaka izay handraby ny fanahy
Sy hamizana ny saiko;
Raha mba tsinjoko ireo antsy
Niranirany sy niandry izay hahatafintohina ahy
Handrotehany ny aiko...

Raha mba azoko nofantarina
Ny tsara sy ny mety tokony hoe nofidiko
Fony aho sendra sampanana;
Raha mba fantatro ny marina,
Ny mahitsy sy ny mendrika no nanohizako ny diako
Tsy ho nandratràko namana...

Raha mba fantatro eny izany
Dia nafatrako ny tsikiko, notsinjaraiko ny hasambarana
Mba hisy ambiny anio;
Satria hatry ny omaly
Dia sento sy ranomaso ary alahelo tsy mifarana
No mameno io tontoloko io...

Fa nahoana...

Ryana
(13/09/2006)
--------
Rohy:
Sokajy : Fiainana - Alahelo
1695 1
Mpakafy: Ryana
Hevitra mandeha
tinah2 ( 16/09/2006 07:55)
Tena mahafinaritra be io tonokalonao io ry Ryana . Indrisy matsy no teny azoko atao nefa manantena fa tsy maintsy mbola ho avy ny maraim-baovao e ! sady hadalan'izay manao ratsy fa ny tody tsy misy fa ny atao no miverina e !
Ryana ( 18/09/2006 04:47)
Misaotra an'i Tinah2
Ryana
soakely ( 18/09/2006 07:27)
zay le fiainana Ryana a ! tsy fiainana ny fiainana ra fantatra mialoha daholo ny rehetra : tsy aleonao ve ankamantatra foana e ! de avelao ho avy zay ho avy ! mahereza fa mbola hivaly tsiky sy hehy ny sento sy ny ranomaso e
Ryana ( 18/09/2006 12:33)
mba eritreritra anie ny ahy ry Soakely ê! Ny tiako lazaina, tsy hoe fantarina amin'ny antsipirihiny izay ho avy fa farafaharatsiny, ny habetsahan'ny vesatra hozakaina, mba hahafahana miomana ê! nefa moa... revirevy daholo izany: izay mitranga tsy maintsy zakaina.
Misaotra nandalo ê!
Ryana
vetsoko ( 26/09/2006 14:06)

Iny tara-bolana iny

Iny tara-bolana iny
tena betsaka mpaniry.
Vitsy anefa no itsikiany
ao anaty hirifiry.

Mazana anefa anaty alina
no fotoana hipotrany.
Anaty fahoriana lalina,
tonga izy manontany:

Inona no tsy ampy ?
Moa ve hazavana!
Ny hatsiaka ve no tsy tanty?
Rahampitso hisy hafanana.

Antenaina isan'andro
ny iposahan'ny masoandro.


...TSOA
27 janv 2005,Boissy St léger
Ryana ( 28/09/2006 06:06)
mankasitraka an'i Vetsoko. Indraindray anie dia tena toa maizina avokoa ny tontolo rehetra ê! tena marina.
Ryana
tikitaky ( 28/02/2007 09:04)
Ny rivotra mitsoka no miady fiakarana
Androany izy raha misantatra, ampitso ianao mbola hamarana
Ryana ( 03/03/2007 09:26)
Misaotra an'i Tikitaky. Nt hazavàna sy ny hafaliana indraindray tokoa tonga amin'ny fotoana tsy hanantenàna azy ireo intsony!!!
Famataranandro moa izany ianao? :-)
Ryana
endrehina ( 16/04/2007 08:15)
faly miarahaba anao,faharoa @ tononkalonao nampihetsi-po ahy ity tena iainako le voalaza e nefa zay tokoa le fiainana e!mankasitraka ary mirary soa anao soa fa nisy ny mpanakanto afaka mampitraka fo maratra e misaotra betsaka
Ryana ( 25/04/2007 21:01)
Misaotra an'i Endrehina nitsidika ary faly ny tenako mamaky fa mety mampitraka fo maratra ny soratsoratro. Mahereza ê! Aza mora kivy fa fiainana daholo izany!
Tsarà
Ryana
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0142