FANIRIANA INAHY! (Ryana)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
FANIRIANA IHANY!

Satriko tokoa raha sendra azo atao,
Hoe ny tànako ihany no hofihin’ny tànanao ;
Hotantananao aho hitety irony havoana,
Hiaina an-kahalalahana, tsy misy hoe nahoana…

Satriko tokoa raha izao masoko izao
No hany mahazo alàlana mibanjina anao;
Satriko, raha mety, hoe ny feoko ihany
No hitafa aminao, hivimbi-nofy mamy!

Satriko, ianao hitohoka ny sofiko,
Hibitsibitsika amiko, hikalo ho rotsirotsiko;
Satriko, raha mety, handre ny feonao,
Hanome toky ahy f’iray isika hatrizao!

Satriko tokoa, raha ny endriko ihany
No hotsarovanao, handrafetanao vinany…
Satriko ry tiako hoe ny anarako ihany
No hany hofiantsonao, raha sendr’ianao tomany!

Satriko, raha satriko, hoe izaho foana
No ho tontolonao… anio… mandava-taona…
Faniriana ny ahy… nefa aoka hofantatrao,
Fa ampy hahasambatra ahy izay sendra topimasonao!

Ryana
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana - Fanantenana
2440 0
Hevitra mandeha
tinah2 ( 16/09/2006 08:09)
Rianah an ! Mirary antsika rehetra mba hahazo anio fanirianao io e ! Raha mba izaho koa mantsy no mba mahazo anizay araka io voalany tonokalonao io izay tena mamy tokoa de avo ny lanitra fa tsy takatro e !merci Ryana
Ryana ( 18/09/2006 04:54)
Sarotra inoana kosa ry Tinah2 hoe ho tanteraka zato isan-jato ireo reehtra ireo. Raha misy sombiny kemy tanteraka dia efa atao ampy ô!
Ryana
endrehina ( 16/04/2007 12:34)
e raha mba tanteraka amiko manko zany a!tena tsy maintsy mionona @topimaso ihany e
Ryana ( 25/04/2007 21:02)
anisan'ny tsy fampijalian-tena ry Endrehina ny fahaizana mionona, heveriko.
MIsaotra namangy!
Ryana
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.014