SATRIA FENO (Ryana)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
SATRIA FENO

Rehefa hitanao fa mendrika sy kanto
Ny tontolo izay jerena;
K’izay lalovanao mirindra sy milanto,
Ts’isy intsony mahasorena;

Rehefa ny hafaliana no tsapanao mivoaka,
Miboika avy ao anaty;
Raha toa fahatoniana no asetrinao ny traotran’
Ireo mandrahona sy miantsy;

Rehef’ianao mamindra fo ka tsy mitazona alahelo
Amin’ireo nisetrasetra;
Ka nalevinao ho lo, ho foana mbamin’ny avelon’
ireo ratsy vitany rehetra;

Rehefa ampy ho anao ny hoe tia ianao ka tiana
Tsy manontany hoe nahoana;
Ka faly, afa-po ianao satria tojo izay niriana,
Tsy ahoanao ny fotoana…

…Dia satria feno ny fiainanao,
Feno ny fahasambaranao,
Feno ny aminao rehetra,
Hafenoana ts’isy fetra!

Ryana
(01/10/08)
--------
Rohy:
2365 0
Hevitra mandeha
mampikanto21 ( 02/10/2008 13:51)
Miarahaba an'i Ryana,

Tena marina tokoa izany Ryana a!
Mankasitraka e!

Mampikanto
Ryana ( 02/10/2008 15:39)
MAnao ahoana i Mampikanto,
Raha azoko izany, efa anisan'ireo miaina ny hafenoana ianao?
Tsarà ê!
Ryana
tiff ( 14/03/2009 14:16)
marina zany ry Ryana.mahasambatra tokoa ny mzara
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0247