"ANJARAKO"! (Skalove)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Maro ny zavatra mahafaly ny foko
Ka mba tiako hofantatrao ry malala
Holazaiko aminao fa tsy koboniko
Ho ahy samirery fa ianao 'lay anjara

Ianao ilay anjara safidin'ny foko
Tiako loatra ianao ka tsy hariana
Ary tsy hamidy na koa hosoloiko
Fa hangatahan-tso-drano amin'ny fianakaviana!

Anjarako ianao ka hotazoniko
Ho tsiambaratelo ilay voady
Mba hahatanteraka ilay faniriko
Dia aoka ho fantatrao fa zah tsy mavandy

Malala รด? tiako loatra ianao
Ary ianao irery no safidiko eto an-tany
Ka izay momba ahy hafoiko ho anao
Manombok'izao ka hatrany am-parany any

Tsy sanatria harena no hitiavako anao
Na koa hoe"entin'ny fitia kitaitaitra"
Fa fo volamena sady vaovao
No feno fitiavana tena mandaitra

Homeko anao ny foko, ho anao irery
Tsy zarazaraina fa manjary misy Fery
Ary tazoniko mafy mba tsy ho very
Fa sao lasa ianao k'izaho manirery

Ry anjaram-pitiavana tsy foiko
Tiako loatra ianao ka tsy hadinoiko
Ary tiako tena tiako toy ny foko
Ka tsisy afatr'ianao no vetsoko

Nosoratako ho anao ity rahavako
Ity vetsom-po avy ato anaty
Satria ianao 'lay anjaram-pitiavako
Ka hifankatia isika mandramaty
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1151 1
Mpakafy: ntmsskalove
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Skalove
Nampiditra : ntmsskalove
Daty : 11/07/2019 17:34
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0146