Mamiko (Skalove)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mamy ny fary,
fa tsy mamy noho ny tantely
Ary mamy koa ny tantely,
fa tsy mamiko noho ianao

Satria, ny fitiavako anao tsy lany hamamina
Tsy lefy ato am-poko na oviana na oviana
Ka na hivadika im-piry aza ny taona
Tiako sy tsy foiko ianao ka mamiko foana

Ary mamy koa ny mody,
fa tsy mamy noho ny miaina
Kanefa mamy ny miaina,
fa tsy mamy raha toa ka tsy eo ianao

Antony,tsy haiko ny miaina tsy misy anao
Zava-poana ny fiainako,tsy ankilanao
Ka hiriko ho mandramaty ny antsikaroa
'lay fitia mangarahara,safidy avy ao am-po

Tsara tarehy ny Railovy,
fa tsy tsara noho ny Domina
Ary ny hatsaran'ny Railovy sy Domoina
no nitambatra ao aminao re rahavako

Noho izany, ianao 'lay Railovy tsara tarehy
Sy Domoina kely kaodikaody fandeha
Izay feno hatsarana no sady mangafeo
Mamiko loatra ka tsy mba mankaleo
--------
Rohy:
244 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Skalove
Nampiditra : Skalove2
Daty : 11/06/2024 20:52
Antsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0714