You are here: home > Vetso

Malalako - Skalove

Tiako ianao ry malalako
Tiako mandram-pahafatiko
Ary tiako toy ny foko
Ka sanatria raha hosoloiko

Tiako ianao ry malala
Tiako satria ianao'lay anjara
Sy safidiko tao anatin'ny maro
Ka tsy hamidy na koa hatakalo

Tiako ianao ry malalako
Tiako satria masoandron'ny fiainako
Ary ilay teninao hoe"TIA" tsy holaviko
Satria ianao no voaloham-pitiavako

Tiako ianao ry malalako
Satria ianao no nitsirin'ny fitiavako
Ka teny kely iray monja no holazaiko anao
Izay kely fa mafonja ny hoe"Tiako ianao"

Tiako ianao ry malalako
Ny mba hitohizan'ny tantarako
Satria ianao 'lay silam-panahy
Ary izaho ho anao, ianao efa ahy

Tena tiako ianao malala
Ny antsika no tanteraka satria anjara
Ary ny momb'ahy tsisy mihafina aminao
Satria efa iray izaho sy ianao

Sokajy : Fitiavana, tsara

Hametraka hevitra

Midira aloha