Jamba ve ? (Skalove)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Jamba ve aho sa efa tena tara?
Sa ve hoe"izay tia adala?
F'izay rehetra halehako toa misy anao
Tsy haiko hoe fa maninona ary aho ?

Fa tsy mety mitony, ity foko adaladala
Ny vavako miteny te-hiantso hoe malala
Jamba ve aho sa efa tena tia?
Eny, tia aho, tia, tia ho doria!!

Lasa saina aho raha sendra mahatsiaro
Ka izany no mahatonga ahy mba mikalo
Midobodoboka ny foko raha vao mahitanao
Tsy haiko ny antony! jamba ve aho?

Jamba ve aho sa tena raiki-pitia?
Fa tsy mahita akoatranao ity masoko ity
Ny zavatra ataoko misabadida be ihany
Raha tsy ianao dia tsy ho lavorary!

Ianao ve no tsara sa izaho no efa jamba
Fa vao iny ianao eny, ny foko toa janga
Toa sitrana sahady ilay fery nanadary
Fa vao nahitanao dia tsy reko marary

Eny, jamba aho! jamban'ny fitiavana
Jamba tateraka aminao aho rahavana
Ka milanao aho ry tiako mba hitia ahy
Fa tena jamba ity foko ka sao dia hanahy
--------
Rohy:
Sokajy : tsara - Fitiavana
836 1
Mpakafy: ntmsskalove
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Skalove
Nampiditra : ntmsskalove
Daty : 11/07/2019 10:35
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0136