You are here: home > Vetso

Rahona mainty!! - Skalove

Indrisy ilay lanitra manga fahiny
Fa toa saron'ny rahona mainty ankehitriny
Ary tsy misy hazavana mba tazana izany
Fa aizina avokoa no mameno ny tany!

Nitomany ny foko nahatsiaro nalahelo
F'ilay paradisa soa nivadika helo!
Isan'andro ny tavako kotsan-dranomaso
Angamba ny fiainako nisy nanao ankaso!

Fa rahona mainty no manarona ny tany
Satria ilay Reny tsy foiko dia lasany any
Ka misaona ny foko no sady mitomany
Mitanondrika avokoa ny zava-boaary!

Maizina ny andro tsy hita izay hombana!
Nangina ny tontolo fa nilaozan'i Mama
Matetika aho mivavaka sy mitalaho
Mba raiso Ray รด! Izy ho eo anilanao?

Aza dia tia tena r'ilay rahona mainty
Fa mba avelao ny hazavana hitranga!
Sa ianao tsy mahay raha tsy migafy,
Ka faly manarona ny lanitra manga?



    06-febroary 2019

     "Rahona mainty"


          SKALOVE

Sokajy : Alahelo, Fiononana

Hametraka hevitra

Midira aloha