Nampiditra : ntmsskalove
Daty : 10/07/2019 09:06
Nijery : 1027
Tononkalo: 15 Jereo eto
Mankafy : 0 Ankafizo
Hampiditra tononkalo

Skalove

NAROVANJANAHARY Tahinasoa Maxime no anarany
Teraka tamin'ny 15 novambra 2001,,tao Fidirana
Monina ao Antsirabe ary mbola mianatra ao @ Lycée André Resampa Antsirabe (LARA).
Mpanoratra tononkalo nanomboka tamin'ny 10 febroary 2016 nitondra ny anarana hoe NTM'S.
Nanova io anarana io ho SKALOVE izy ny 22 desambra 2018. Skalove izay midika toy izao"Sansé,la Kyrie et Amical Love" izany hoe" ny hendry araka ny marina dia izay mamindra fo sy mampiseho fitiavana".Mankafy ny kanto. malagasy izy ary tanora mbola misondrotra amin'ny fanoratana tononkalo malagasy. Tsy mijanona amin'ny fanoratana fotsiny ihany izy fa miezaka ny mamorona boky izay mitondra ny lohateny hoe " NY VETSOM-POKO".
Rohy: https://vetso.serasera.org/mpanoratra/skalove
Hevitra farany
ntmsskalove ( 06/08/2019 17:40)
Tiako ny zava-kanto vita malagasy (tantara,kabary,sombin-tantara) fa indrindra ny tononkalo izay tena imasoko. Tsara ny vita malagasy ary anisan'ny mampiavaka antsika ny kolotsaina izay ananantsika,ny firaisankina,fifankatiavana....Eto ampamaranana dia tiako ny milaza antsika malagasy rehetra izay mankafy na tsy mankafy ny kanto malagasy hoe:"Tandrovy hatrany ny maha malagasy antsika izay mampiavaka antsika amin'ny hafa"
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0146