'ty fiainako mahantra (Skalove)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Fa toa voasaron'ny onja
'ty fiainako mahantra
Aty ambadiky ny bonga
'zay tsy misy mpahita!?

Fa toa izaho irery
Tsy mba misy olon-kafa
Mba afaka hampahery
'ty fiainako mahantra

Raha heritreretina toa lalim-paka
Tsy azoko akory ny mahatonga izany
Fa tsy miova 'ty fiainako mahantra
Sa ve efa izao no anjarako ety an-tany

Lasa saina izaho ka dia variana
Mandinika ity fiainako mahantra
Asa! Mbola haharitra hafiriana?
Fa tsy mety miova fa vao maika maratra

Rahoviana re?Rahoviana marina?
F'efa tsy zakako intsony ny fiainako lasa
Raha izao no mitohy,mety tsy ho tafaharina
Indrisy re 'ty ianao ry fiainako mahantra

Ekeko anefa ianao ry fiainako mahantra
Ekeko satria izao angamba no anjarako
Ekeko ihany koa fa lahatr'Andriamanitra
Ka ekeko raha izao no mahatsara ny fiainako.
--------
Rohy:
Sokajy : Fahantrana
672 1
Mpakafy: ntmsskalove
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Skalove
Nampiditra : ntmsskalove
Daty : 03/08/2019 10:12
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0144