Aza kivy!! (Skalove)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Aza kivy re ianao
ratoa ka toy izao
Ny zavatra manjo
izay mankarary ny fo

Na sahirana mitady
mba hitsinjovanao ny ho avy
Dia aza kivy izany
fa mahereza hatrany

Aza manahy raha kamboty
na salama na koa farofy
Dia tsarovy izao
fa ny tompo tsy mba mandao

Mahereza hatrany hatrany
aza kivy na tomany
Ka na mafy aza ny ady
dia aza kivy ny mitady

Resy ve ianao no mitanondrika?
Aza kivy fa mba mitsaka
Mijoro fa lehilahy
Na malain-kamindr'aza ny tongotra
Hatonio ny saina ka miasa
Mahereza e! aza manahy!

Fantatrao ve fa ny fiainana
dia kodiaran-tsarety ihany
Ka misy ny faly, ao koa ny malahelo
Misy koa ny olona tsy azo hitarainana
F'efa manana, ka tsy mahafoy izany
Tia tena ireny ka mendrik'azy ny helo

Raha mbola velonaina ianao
dia manaova ny tsara
Fa aza manaraka ny ratsy
Raha mahantra, hisaino izao
Miezaha fa mbola tsy tara
Fa sao hangasihasy

Raha malahelo koa ianao
dia mba tsarovy izao
"Aza kivy fa tsy nateraka
ny ho resy ianao"
--------
Rohy:
Sokajy : Fampaherezana - fiainana
1319 1
Mpakafy: ntmsskalove
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Skalove
Nampiditra : ntmsskalove
Daty : 11/07/2019 09:34
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0176