Fahasambarako (Skalove)
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny fahasambarako eto an-tanydia ny eo anilanao ihany
Na mitsiky, na tomany
izaho tsy hiala aminao 'zany
Na misedra fahoriana
ady lava, fampahoriana
Dia ny mba hany hirariana
'lay tokatranom-pifaliana
Ho sambatra sy ho finaritra
raha mbola eto ambany lanitra
Ka manorina mba haharitra
dia hiadan-ko finaritra
Ny eo ankilanao ry tiako
no mba hany faniriako
Ka tsy mba hampahoriako
satria ianao 'lay nofinidiko
Holazaiko aminao 'lay voady
hampandrenesiko sahady
F'izaho sy ianao hivady
ka hanao mariazy
Tsy hataoko resa-jaza
na handigny andro lava
Fa holazaiko mazava
soa mba tsy ho rava
Satria ny mba hany fahasambarako
d'ianao irery izany rahavako
No tiako sady anjarako
ka mendri-ko tiaviko
Ka dia hangatahan-tso-drano
amin'ireo siny be loharano
Ho ravaky ny tokantrano
mba hidiran-tsoa fa tsy angano
--------
Rohy:
Sokajy :
Fitiavana
Mpakafy:
ntmsskalove
