You are here: home > Vetso

Hosoratako - Skalove

Hosoratako ny vetsovetsom-poko
Ho hasandratro ary koa kaloko
Hosoratako mazava tsara
Mba ho fahatsiarovana any afara

Hosoratako ho an'ireo taranako
Sy ny Malagasy rehetra
Hosoratako ny aingam-panahiko
Fa haren-tsaina tsy misy fetra

Hosoratako ao ny tantarako
Sy ny fiainako amin-java-kanto
Mba ho fantatrareo namako
Ka ataoko mirindra sy milanto

Hosoratako antsitra-po
Hosorako tsy terena
Ireo vetsovetsom-po
Tsy misy kilena

Hametraka hevitra

Midira aloha