Ilay fasan'andevo!? (Skalove)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Nandeha izahay namonjy famadihana
Mba hiaraka hifaly amin'ny fianakaviana
Tany Ambatondratsira,Ambohimandroso
Ilay fisehoan-javatra nanaitra ny foko

Raha nampidi-bahiny ny andro alakamisy
Dia nifaly avokoa kanefa indrisy
Fa nisy raha nisopatra ny hafalian'ny maro
Tandindona iray mba sendra nandalo

Maraina ny zoma efa niomakomana
Nanao raharaha, nanokatra lanonana
Ela ny ela fa tonga ilay nandrasana
Ireo loholona nakeny amin'ny fasana

Tolaka ny andro dia nivory ny vahoaka
Nandeha avokoa hatramin'ny bevohoka
Nanao rodombe mizotra miantsinanana
Hatramin'ireo zazakely 'zay mbola tantanana

Tonga ary ny fotoana, hamoahana ny fasana
Ka dia niandry daholo ireo zana-drazana
Niandry teo foana ary gaga izahay
Fa ilay fasana tsy nety nivoha tamin'izay

Niezaka namoha ihany anefa ny olona
Fa tsy nety ilay izy tsy misy vahaolana
Lasa vinany ny vahoaka tsy nahita atao
Mieritreritra izay mety ho anton'izao!?

Inona no atao? manontany vahaolana
Nody tsikelikely koa anefa ny olona
Ny fasana tsy nety niviha, ny andro efa alina
Izaho nieritreritra hoe"sao dia tsinin-drazana

Satria eo avaratr'ilay fasana hamadihana
Dia misy fasam-bongo nandevenana andevo
Izay voaposiposin'ireo fianakaviana
Manohy ny koranany izay tena marevo

Ela ihany anefa vao nisy tonga saina
Ka namokatra sy namonolamba ilay andevo
Ary nangataka tso-drano sady nitaraina
Niankohoka teo amin'ilay fasan'andevo

Ny zavatra nahagaga tamin'izany fotoana izany
Dia ilay varavaram-pasana nivoha avy hatrany
Ary efa tamin'ny valo (8) ora alina
Zay ireo razana vao nofongarina

Izay ilay tantara tany Ambatondratsira
Tantara tena nisy fa tsy angano na arira
Ary niezahako nohafohezina ihany
Ny zava-nisy tamin'izany fotoana izany
--------
Rohy:
Sokajy : Fahatsiarovana
493 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Skalove
Nampiditra : ntmsskalove
Daty : 10/07/2019 11:08
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0151