You are here: home > Vetso

Mahafinaritra - Skalove

Azo vakiana?

Mahafinaritra ny ambanivolo
Mahafinaritra koa ny tontolo
Ny manodidina voakarakara
Mahafinaritra ery ny tanana

Mahafinaritra tsy misy ohatr'izany
Mampazoto ery ny makany
Ny mponina miraihina
Tsy ambakan'izany ny fianakaviana

Ny rivotra dia madio
No sady malefaka fitsoka
Ka ravo ny fiainako anio
Fa afaka havizanana toa nisy nanotra

Endrey, ny hakanton'ny zava-boaary
Toa mahafinaritra ka mahalasa vinany
Fa mahate-ho tia aok'izany
Ka afaka ireo sorisory sy tomamy

Fa tena mahafinaritra
Ilay mifoha vao maraina
Mitsotsoka ny rivitra
Ka mamelimbelona aina

Toa velon-kira koa ny tontolo
Rehefa divaraina ny any ambanivolo
Ary toa tsinjoko sahady
Ilay tandindon'ny ho avy

Hametraka hevitra

Midira aloha