FERY ANATY (SOLIMAH)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Reko misosa eto ambony fandrianailay aingampanahy tsy fanta-piaviana.
Tsy takatro loatra izay tiany holazaina
fa emboka hafa mandoro ny saina.
Vangongon'ny alok'ireo taona lasa
no injao miady sisina sady mikasa,
Misisika mafy hilafika an-doha.
Manery ahy hitroatra, manery ahy hifoha.
Mba inona loatra no tanjon'izany
Fa tsy azoko veroka, tsy azo vinany?
Karazana diary misafotofoto
no injao mifanjinja ato anatin'ny foko.
Toheriko ihany , kanefa tsy laitra.
Vao mainka manindrona sady manaitra.
Torovana mafy aho, kinanjo tereny
handrafitra ireny karazany ireny :
Dia nisy ireo bainga tsy vita navadika,
Ankoatran'ny tolom-panahy rakotra ady
ka zary nametraka ratra ao anaty.
Nitondra takaitra aho fa mbola tsy maty.
Dia nisy ihany koa izany rano maria
tsy maintsy nodiavin'ny lakam-pitia.
Andanin'ireny ilay rivo-mifofo.
Soa ny herin-tsaiko fa mbola tsy niofo,...
Sahala amin'izany ny ampahan'ny tolona.
Iaretana , saingy toa mihamamololona.
Dia izay ilay aretin'ny tia soratsoratra :
Anaty eritreritra no mihorakoraka.
Mba mody mandefa vinany mangina,
Kinanjo ao am-po ao tsy zaka toniana!
Manafina fery amin'ny endrika ivelany ,
Mirongatra anaty ny vony sy felany.
S O L I M A H✓
Septambra 2025
--------
Rohy:
Sokajy :
Fahatsiarovana
Mpakafy:
SOLIMAH
