AZA AVELA ! (Solofomanjato)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
AZA AVELA

Aza avela akory hisy, na ny monja aza
… Izay teny rehetra mety ahakivy anao
Aza avela akory hisy na singa fotsiny aza
… Handavo ny herim-po sy finiavanao.

F’ireny rehetra ireny
‘Ndeha avadika ho fanoitra
Hanjary tonga hery…
Teny mampivoatra

Aza mba manaiky, ho resin-tondro-maso koa
…. Tohizo ka tohizo izato làlanao
Aza mba manaiky, ho revon-java-tsy mahasoa
…. Ny idealinao tozoy ka tanteraho

F’izany rehatra izany
No ventesiko eto anio
Herim-ponao irery ihany
No mandrava io sakana io

Aza mety indrindra anefa ka hanosihosy ny osa
…Nony mba nambinina tamin’izay natao
Aza mety indrindra indrindra, fa mba onero kosa
… Ny Tompo nanome fitahiana anao

Aza avela ka tsindrio mba tsy hitroatra
…’Lay fonao malahelo sy tomany
Aza avela fa toneo ny onjan’ny safoaka
…. Satria ny ota io, mikendry anao hatrany

Rah’ izao rehetra izao
Homena anao tsy asiam-paritra
Moa ve fantatrao
Izay hevitr’Andriamanitra ?

Aza ekena hisovoka ny fanandratan-tena
… Alaviro ka ialao fa mamery
Aza ekena akory raha tsy miaty fandresena
….’Lay vavaka ventesinao hitondra hery


SOLOFOMANJATO - 2004
--------
Rohy:
1067 2
Hevitra mandeha
Zozoro ( 08/01/2009 21:11)
Mankasitraka tanteraka. Tena ankafiziko tokoa ny hevitra fonosiny.

Misaotra betsaka nizara. Tohizo fa mahafinaritra.
ZOZORO
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Solofomanjato
Nampiditra : benasy
Daty : 08/01/2009 14:15
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.01