HO AVY ! (Solofomanjato)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
HO AVY !

Ho avy ianao izao,
Ka dodona ery hanokatra indray iretsy boky iretsy,
Firaiketanao ny tontolo andronao androany,
Isaky ny ora sy fotoana nandalovany.

Ho avy ianao izao,
Hitomany mora ao anaty lamba isalobonanao,
Misy anefa ianao mirana sy homehy ;
Rehefa injay mamaky ireo raki-tsarobidy

Ho avy ianao izao,
Tsy maintsy hanontany, ilay voninkazontsika!
Tsy maintsy hanontany, ny andron’ny androany !
Tsy maintsy hanontany, raha maloka na tsia !

Ho avy ianao izao

Efa lasana ela ilay mpioty voninkazo tetsy avara-trano.
Efa lasana ela ilay mpanampintsika vao tonga afak’omaly
Efa lasana ela ilay mpitaona vary fa trotraky ny asa
F’efa hariva ny andro

Ho avy ianao izao
Hikalo mafimafy irony hiran’ny mpandresy
Na hiventy mora ny vetson’ny efa resy
Na mindrana indraindray ny hira mpankahery !

Ho avy ianao izao
Hiantso ny ankizy, hisangy etsy ampandriana
Hanadina indray ny lesona efa vita sy ny tsy mbola efa
Hanontany koa ny mombamomba azy sy ny tontolon’androny

Ho avy ianao izao
Hanohoka moramora ny takolako ankiroa ny rantsan-tànanao
Hibitsibitsika amiko indray ny hakanton’ny tara-bolana mitsidika
Hisarika ny sandriko fa hiondana amin’ny soroko

Fahiny anefa ianao
Tsy nanontany akory, ny mba volon’androko.
Tsy nanontany akory, ny valonan’handriko.
Tsy nanontany akory, ny dinitry ny akanjoko !


SOLOFOMANJATO
--------
Rohy:
1287 2
Mpakafy: benasy - accolade
Hevitra mandeha
Zozoro ( 24/03/2009 13:57)
tena mahay ianao....
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Solofomanjato
Nampiditra : benasy
Daty : 16/03/2009 10:32
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0162