MISY MASO (Solofomanjato)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MISY MASO

Misy maso tsy hitanao, fa mijery anao ihany,
Misy fo tsy tsapanao, fa mitempo anao mangina
Misy orana milondo saingy tsy henonao mitraho
Misy sento mipolotra, fa tsy mba tsapanao, variana !

Misy kalo injany miainga, te hivoaka anatiny any
Misy tsiaro, misy sary, sento miharo faniriana
Misy nofinofy lalina, mamihina ny ranatsanao
Saingy miafitra ao ambadiky ny sarotra valiana !

Injany re mihararetra, torifolom-baliha volo
Mikaratsaka indray ilay nofinofy nahatamana
Satriny, eny tena satriny, ho eo anilao ny fony
Vonona izy mba ho sorona raha ilainao sombinainy !

Ary injany ihany anefa feom-baliha torifolo
Mitrotro ny embony efa sidin’ny elatra tsy tana
Mandrotsirotsy ny fanhiny, diso tia kanefa nony
Tojo anilanao eo izy ; tsy mahita izay lazaina !

Misy maso tsy hitanao, fa mijery anao ihany,
Misy fo tsy tsapanao, fa mitempo anao mangina
Sy fanahy efa vonto, jamban’orana mijohy
Tsia, tsy ranomaso akory, fa erika nafafin’ny ando

Mbola injany fa manenika feom-baliha mitomany
Te hizara ranomaso ; no te hizara hafaliana
Tsisy afatsy ny « ianao », eny, ianao no manjohy
Any anaty nofiny any, any ankoatry ny masoandro !

Injany feom-baliha mirotsy
Mikalo maso tsy hitanao
Fa mijery anao mitsiky
Sy ilay fo tsy tsapanao
Fa mitempo sy mikiky
Ny fanahiny ... Nandao !

Mbola injany feom-baliha....... !
--------
Rohy:
2322 3
Hevitra mandeha
pissoa ( 21/04/2009 16:46)
Kanto tena kanto ! Miala satroka eeee.
Zozoro ( 22/04/2009 20:47)
Makasitraka...Tsara!
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Solofomanjato
Nampiditra : benasy
Daty : 21/04/2009 09:37
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0117