RAHA MBA MISY HAMBOM-PO - Solofomanjato
Azo vakiana?
Raha mba misy ny hambom po
Fa mba Malagasy koa
Sy raha mbola nofo ihany
Hitsanga-menatra eto an-tany ?
Mihirà ianao ry taniko
Fa simbàin’olona ny mamiko
Ry Mpihira malagasy
mitsangana misehoa, ka kiaho anaty hira ny hoe mila fahafahana
Ry Mpanoratra tsy satry
mitsangana ka hifoha, ao ny ranomaintinao hitaky koa, ny fahafahana
Ry Mpanao hosodoko
Mitsangana, tam pisoko, moa inona no lokon’izany hoe tena fahafahana
Ry Gazety mbola mihidy
Mitsangana, fa voavidy ianao hiady ho an’ny tsy mba manam-pahafahana….
Ry Poeta, malagasy
Mitsangana ka sotroy, irony rano tsy mba mety ritran’ny fahafahana
Ry Mpikabary, mba sokafy
Mitsangana, asehoy, fa tsy ilàna sarintsariny ho anao ny fahafahana
Ry mpiangaly ny Mozika
Mitsangana koa isika, ka tendreo hanakoako ireny feon’ny fahafahana
Ry Mpanendrika ny bika
Mitsangana ‘ndeha amboary mba hanendrika antsika, izany atao hoe fahafahana
Ry Mpandihy ny zavaboahary
Mitsangana ka dihizo ny totorebika sy hafalian’ny mihoby fahafahana
Ry rehetra tsy voalaza nefa koa dia mpanakanto
Mitsangana ka poteho izay mitetika hampandefitra ny hasin’ny fahafahana
Ry Mpiangaly politika
Aman’alina sy an’hetsiny ny politika sy ny tetika tena hitondra fahafahana
Nefa dia ny mifanabotry no manavanana antsika
Ry Mpivavaka rehetra
Mitsangana ivavaho, mba tsy ahita famonjena izay mpangeja fahafahana
SOLOFOMANJATO
Mombamomba
Mpanoratra : Solofomanjato
Nampiditra : benasyDaty : 11/02/2009
Mpamangy : 1641
Mankafy : 1
Tononkalo hafa
F' ANGAHAFIAINANA
HO INONA ?
MIJOROA
RAHA HO TONGA NY ANDRO IRAY
TSY MAINTSY VE ?
AINA
TSY HO VERY MAINA
NY POETY
TSY IZAHO