VONINKAZO (Solofomanjato)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
VONINKAZO


Voninkazo tsisy voniny
Fa mpandefitra ao am-po ;

Voninkazo tsisy toniny
Tsy hanitsaka ‘zay voa!

Voninkazo tsy mba resin’
Ny hetraketraka mavàny ;!

Voninkazo mari-drefin’
Ny halalim-potaky ny tany !

Voninkazo mamololona,
Sy maandoko morondrano ;

Voninkazo tsy hitan’olona
Fa maneva tokan-trano.

Voninkazo tena gasy
Mora, nefa tsy hay resena

Voninkazo tsisy tasy
Maitso mavana jerena

Voninkazo tsy mba lefin’
Horakoraky ny voahary,

Voninkazo tsy mifefy
Avonavona hampijaly !

…Voninkazo tsy mba mety
…Lavon-taona nifanesy !

Voninkazo tena « izy »…
Ka mamàka hatrany anaty

Voninkazo tsy mba kivy ;
Hitomany ny efa maty !

Voninkazo, tena tiako !
Voninkazo, faniriako !
Voninkazon’ny fanahy !
Voninkazo, tiako ho ahy !



SOLOFOMANJATO
--------
Rohy:
1306 4
Hevitra mandeha
Fifaliana22 ( 27/01/2009 19:27)
Tsara loatra !!!
Zozoro ( 28/01/2009 14:04)
...tena voninkazo tsara...voninkazo tsy halazo
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Solofomanjato
Nampiditra : benasy
Daty : 27/01/2009 09:33
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0101