AOK'IZAY (Teboka Telo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsy haditra intsony aho, ry Dada malala,
Manomboka izao :
Hahay hankato, tsy hihoatra ny vala,
Tsy ho be kilalao ;
Ho zaza mpanoa 'reo ray sy ny reny,
Masoandro amam-bolana!!!
Ry Tompo Nahary o! Tahio izy ireny
Tsy hananany olana.

Tsy haditra intsony aho, ry vadiko tiako,
Rehefa nandalina :
Tsy ho tia sotrosotro, 'zay sipa : ariako!
Sy fodiana alina ; ...
Ny vola karama, tsy nahabangana
Ary "fiche de paie" :
Atolotro anao tsy am-pisalasalana...
"Tena hiova aho re!"

Tsy haditra intsony aho, M'se patirao,
Amin'ny androko sisa :
Tsy ho tara fidirana anaty birao...
K' ireo disadisa
Nampifanolana anay mpiara-miasa
Nandritry ny taona :
Tsy ho tadidy, toa ririnin-dasa,
Ary koa tsy tsaroana.

Tsy haditra intsony aho, ry zoky sy zandry,
Amin'ny fiaraha-monina :
Tsy ho tia sotasata, k' hanao be sandry
Amin'ny fananan'olona;
Ireo takoritsika sy fosafosa
Ary fanarabiana,...
Soloiko fitiavana, ngeza, miavosa,
Tsy lany hamamiana.

Tsy haditra intsony aho re Dadapasy!
Tena "aoka aho izay!"
Hiova ho mpino aho, hiala amin'ny ratsy :
Ho tonga mpandray,
Ho katekaomena, vita batisa,
Ho Diakona koa,...
Ka dia ho vavaka ny androko sisa...
"Maninona moa?"
...
--------
Rohy:
Sokajy : fananarana
1209 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Teboka Telo
Nampiditra : kalonantitra
Daty : 24/08/2017 10:22
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.01