AZA MAMALY RATSY NY RATSY - Teboka Telo
Azo vakiana?
An' Andriamanitra ao ambony ny kapoka sy famaliana,
Azy ny herim-pananarana, eny, hatramin'ny fandidiana,...
Azy ny hevitra rehetra hanoro lalana, hanafay,...
Fa ny anjarantsika kosa dia ny miondrika, mandray!
Aza mikotri-panenjehana, lonilony, valifaty,...
F' aleo diovina ny fo sy fanahy ao anaty!
Mivavaha ho an'ny hafa, mifonà mba ho azy ireny!
Ny kapoka tsy mahahendry fa safosafo arahin-teny!
Tendrom-po tsy mba namana; vava maro, tsy kabary!
Aetreo aloha ny tena f'aza aseho miharihary
Ireny toetra novolena ao anatinao marofy.
Aondreho koa ny loha dia atrakao kokoa ny saina
Fa ho hitanao eo ny tany kiana, karakaina!
Dia ezaho 'lay paradisa ho lapantsika fa tsy nofy!
Teboka Telo
Mombamomba
Mpanoratra : Teboka Telo

Nampiditra : KALONANTITRA
Daty : 15/04/2015
Mpamangy : 1490
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
ISAKY...FANADINOANA?
HO INOKO MOA
TAKARIVARIVA INDRAY
VAVAKA
NY VEHIVAVY
FIFIDIANANA
SITRAN-TSY MIODY
EMBONA SY TO!
FOFONA RE ZAO!!!