AZA MANORATSORA-POANA (Teboka Telo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
AZA MANORATSORA-POANA

Raha hanoratsoratra ary, manorata teny mamy;
Miritsoha angolangola, mizarà fitia tsy lany!
Aza fitahinao hitory teny tsy hainy koa ny penina
Fa hanody anao ny vita ary handatsa anao ny nenina!

Raha hanoratsoratr'ihany, tandremo hanoratsora-poana
Fa mijery anao ny lanitra; miandrandra anao ny tany foana!
Aza saromana famarana ny jiro entina hanazava!
Fa io no jikan'asasoratra ka kajiana lalandava!

Manorata! Aza mitsahatra! Fa tsy ho ritra akory ny ony!
Asandrato ireo ambany, toroy lalana ny ambony;
F'izay no lalam-pahamboniana! sady lalam-pahombiazana!

Manorata! Manorata! Na haingana io na mbola ho ela
Hisy foana fahombiazana, hisy rakitra tavela
Ho an'ireo taranatsika s'indrindra, ho an'ny tanindrazana!

Teboka telo
--------
Rohy:
1117 1
Mpakafy: kalonantitra
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Teboka Telo
Nampiditra : kalonantitra
Daty : 11/08/2016 14:59
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0147