AZAFADY - Teboka Telo
Azo vakiana?
Teny re ombieny ombieny ny « Azafady »
Rah' hangata-dalana ka miondrika, mandady,...
Io koa no ampiasaina raha hiteny
Na hikabary imason-joky, ray sy reny...
Miala tsiny, miala fondro,... « Azafady »
Rah' nahateniteny foana imasom-pady
Nanadino irony razana iombonana;
Voaompa reny hatramin'ny zanaka, ankohonana!
Misy indray minia manitsaka no sady
Mimonomonona eo am-bava ny « Azafady » :
«Azafady re r'ingahy fa tsy niniako!
Nefa ao am-po : raha mitady, etsy hampiako!
Eny an-dalana, eny an-tsena, ... : « Azafady »
Fa ao an-trano dia voahosy hatramin'ny vady;
'Reo ankizy milalao voadikadika!
Rah' mba miteny dia lazainy ho zaza alika!
Ao indray ireo mamadika ho ady
Irony zavatra natao tsisy « Azafady »
Zarany aza nisy kely hadisoana
Hanararaotana hiadiana, hifamonoana!
Rah' sendra olana sy sedra iray mianjady
Dia be ny diso tamin'ny asa k' « Azafady »
« Azafady » ka mifona tsy hanin-telo
Fa ny zavatra tsy hay mandrotsa-delo!
Azafady, azafady, azafady,...
Tsy anavahana fotoana io na girady
Io no fositra manapaka ny tady
Sy manavotra 'reo torana ao an-kady.
...
Mombamomba
Mpanoratra : Teboka Telo

Nampiditra : kalonantitra
Daty : 24/01/2014
Mpamangy : 1147
Mankafy : 1
Tononkalo hafa
HO ANARIN'NY FIAINANA!ISAKY...
FANADINOANA?
HO INOKO MOA
TAKARIVARIVA INDRAY
VAVAKA
NY VEHIVAVY
FIFIDIANANA
SITRAN-TSY MIODY
EMBONA SY TO!