DADANY ZANY (Teboka Telo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Raha tonga ny fetin'ny Neny Malala
Idada no somebiseby aok'izany!
Fa ho avy ny Jibaka be manadala
Tsakiana saosisy tsiroaman-tany!

Fa raha tonga ny tsingerin-taonan'Izoky
Isan-taona misesy io, tsy maintsy fety!
F'Idada no hetsaka be sady voky
Dia mody mitsipak'hamaky gazety!

Fa andro hafa ny fetin'ny zandry
Izay mifanindry amin'ny taom-baovao;
Idada no mihinjaka, mitsipy sandry
Fa fanararaotra ny andro hoatr'izao!

Fa amin'ny fetiko, izaho dia mangina
Fa, fantatro Idada, tsy maintsy ho mamo!
Asaiko daholo ny fianankaviana
Mba hitotorebika aminay ao an-trano!

Fa amin'ny fetin'ny Repoblika
Ny 02 Oktobra sy volana Jona;
Dizina Idada ka mihiakiaka
Hatreo Besarety k'hatreny Ambodivona!

Indrindra moa hoe, amin'ny fetin'ny ray;
Idada tsy hanaiky fa ranga ny sofiny!
Nem, salady,... Laroina sakay;
Toaka, labiera,... Reo manginy fotsiny!

Fa na andro fety io, na andro tsotra
Idada mahita hamenoany ny vera:
Kaominio e! Batemy e!... Miara-mizotra,
Didim-poitra sy aniversera,...

Teboka Telo
--------
Rohy:
2186 3
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Teboka Telo
Nampiditra : kalonantitra
Daty : 16/06/2015 08:53
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0104