Dia gag'elah!!!! (Teboka Telo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Dia nivanaka aho, re, ry zalahy,
Fa hay misy sahy
Minia mikipy, manoatra ny jamba!
Mamatotra lamba
Ny mason'ny saina sy aty fanahy;
Ary tsy mba manahy
'Zay latsan'ny tsiny sy irony tody,
Hanao ranomody?

Dia nivanaka aho, re, ry kilonga
fa hay tsy somonga
Na koa an-kandasitra, hialana voly,
'Ty saribakoly:
Fa dia miteny sy mibadabada,
Manonona "Dada"!
Ka latsa-tomany sy toa olon'ory!...
Vetivety,... Matory?

Dia nivanaka aho, re, ranabavy
Fa ny androko ho avy
Dia manjavozavo sy rako-tadio!...
He! ny androko anio
Toa lala-mideza, mitavon-tsavony,
Tsy mety ho tony!
Ka raha vao tafarina kely dia tola
Ho "besorongola"?

Dia nivanaka aho, re, ry tanora
Fa hay koa ny akora
Ka resin'ny ginan'ny antson'ny moana
Ery an-tany foana?...
Ny olon-tokana, lasa vahoaka!
Ny afo no hamoaka
Erika, hanondraka ireo voninkazo!...
Tomany no vazo?...

Dia nivanaka aho, nanongo tena
F'ity firenena
'Zay tany navela sy lovan'ny razana,
Nanjary ngazana:
Ngazan'ny saina sy fo mifandefitra;
Nanangana efitra,
Ka zary vaky sy toa karakaina
Koa ny andon'ny saina?

Fa... Tsy hivanaka aho ry ambanilanitra
fa ao Andriamanitra
'Lay Tompon'ny ampitso, anio sy omaly
'Zay afa-mamaly,
Manoina ny antson'ireo mitaraina
Ny hiavian'ny maraina
Sy volan-tomaratra, soa fenomanana
Eo am-pelantanana!
--------
Rohy:
1307 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Teboka Telo
Nampiditra : kalonantitra
Daty : 19/01/2017 13:52
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0141