GASY AHO, GASY IANAO! (Teboka Telo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Fa Gasy aho, Gasy ra, Gasy Ray sy Gasy reny;
Gasy fihaingo sy fitafy, Gasy fihetsika, fiteny,...
Gasy hatramin'izay ananako :
Gasikara sy tanànako...
Gasy hatramin'ny fofon'aina,
Fomba fihevitra, fisaina,...

Gasy aho hatrany anaty havokavoka, vavony!
'Reo nahandroko aza, Gasy : ravitoto, akoho rony,
Mofogasy, ramanonaka,
Menakely vao, midonaka,...
Ampangoro tondra-dronono
Ilaofan-trondro vao natono.

Hatramin'ny kilalao fanaoko : fanoron-tsivy sy ny katro,
Fampitaha, sy tanisa, ... asampinga no filatro,
Ankamantatra sy angano
Ny takariva eo alatrano,...
Soamiditra e! Midira!
Ialohavan'ati-kira.

Gasy aho, Gasy fomba, ny Soatoavina dia izao :
Valisoa sy valin-tanana, ireo "atero ka alao",...
'Reo tsodrano sy alafady,
Ny mbay lalana, azafady,...
Ny fihavanana, indrindra,
No antom-piainan-tsara rindra!

Fa Gasy aho, Gasy isika, eny, Gasy sarobidy
K'aza menatra mijoro sy hilanja ireo ny adidy,
Hivonombonona, ho sahy
Hilaza sady hampahatsiahy :
Ny mahaGasy, rehereha
N'aiza, n'aiza tany aleha!
--------
Rohy:
Sokajy : Fiaraha-monina
2430 3
Mpakafy: kalonantitra - DotMG - Nofy2
Hevitra mandeha
Nofy2 ( 05/08/2014 10:55)
ten marin n anao!tsar b le tononkal!
mpisotrtoaka ( 17/06/2015 14:37)
Gasy aho r'ikala Nofy
ka meteza ho tiaviko
na solomaso fotsiny aza
Omeo ahy fa tsy ho laviko !
kalonantitra ( 03/08/2017 07:55)
Misaotra nankafy
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Teboka Telo
Nampiditra : kalonantitra
Daty : 04/08/2014 06:12
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0143