HANORATRA AHO!!! (Teboka Telo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Fa hanoratra aho androany, n'iza tezitra sy faly;
N'iza hanarinary lamba; n'iza ho sambatra s'hijaly!
Fa ny ahy io sora-tanako io tsy soratsora-pahatany
Fa vely vin'ny maik'hanefy ny angadimondron'asa tany!

Fa hanoratra aho, satria, be ny tsentsina tadigny;
Maro 'reo tafondrovava mandrotika tsy manan-tsiny!
Ampahafantariko azy ireny fa penina sy taratasy
No solon-japy, karavasy; antsipikako sy basy!

Fa hanoratsoratra aho na hisy hilaza ho rediredy;
Na hisy hanokatra ny fonja, na hisy hikapoka s'hibedy!
Fa hanoratra aho, hiteny; hihoraka s'hivazavaza
F'Andriamanitray, mahavonjy sy andrinay madini-bava!

Teboka Telo 30/07/17 22h35
--------
Rohy:
1081 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Teboka Telo
Nampiditra : kalonantitra
Daty : 03/08/2017 09:38
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0103