HO ANARIN'NY FIAINANA!!! (Teboka Telo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Maty aho Bada, ka maty aho Neny
Fa hay ve ny sipa manidina ireny
Tsy misidintsidina fahantanintany
F'indraindray toy ny gisa, misoroka tany!
Ka raha vao sodokan'ny lango malefany
S'ireo orokoroka eny an-tsefatsefany,...
Asian-tsafosiakany, mampandry adrisa;
Dia miomana fa ho taolana sisa!

Maty aho ry 'nao, e! Maty aho ry 'tony
Fa hay ve irony andrankandrana irony
Tsy kiandrankandrana fahantanintany
Fa tena mandrotika ny vavako ambany!
Andraman-ko hanina avokoa 'reo 'zay hita:
Na karaoty gasy na avy any am-pita;
Na laoka be rony, na anana ritra,!!!
Dia 'zao ny vokany: "nibaby kitra!"

Maty aho Baba ka maty aho Neny
Hay ny revirevy madinika ireny
Tsy madinidinika fahantanintany
Fa mitombo, mihangeza sy miseho lany!
Ka na aiza toerana rehetra aleha
Dia tezain'ny revy ho tia rehareha
Tsy ho leo dohika sy avo fisainana!...
Dia miomana "HO ANARIN'NY FIAINANA!!!"

Teboka Telo 19/07/17
--------
Rohy:
Sokajy : Hatsikana - fananarana
2350 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Teboka Telo
Nampiditra : kalonantitra
Daty : 03/08/2017 09:42
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0144