IMPIRY IMPIRY (Teboka Telo)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Efa impiry impiry izay no nitadiavako ny tsara
tamin'ny tany tsy hay, tsy fantatra?
Efa impiry impiry koa no mamo aho tanaty bara
Dia nandoa sy nandry an-tatatra?
Angamba kely raha in-jato, nitalahoako teny am-pasana
Ireo razana mpitahy!...
Nefa efa lasa vato ny fon'ny olona efa lasana
Ka tsy misokatra ho ahy!

Impiry impiry moa izay no mivoaka aho raha maraina
Mba hitady izay harapaka?
Efa impiry impiry koa no nahodina 'ty saina
"Manana aho fa tsy tapaka!"
Angamba raha im-polo kely no nisavana ireto akanjo,...
Hatrany ambany farafara
Fa tsy nahita velively, afa-tsy lasitikam-boanjo
Sy ito baoroka sigara!

Impiry impiry moa izay no lasalasa nofinofy aho
Hoe mahita hasambarana!
Migabona an-trano iray tsy ahitana sori-drofy
Fa saingy tsisy varavarana?
Angamba raha ho tanisaina, 'reo karazandrazam-pety
Anaty jiro maroloko,
Tsy ho vita na haraina, tsy ho voatantara vetivety,...
Sy tsy hampionona ny foko!

Impiry impiry moa izay no nanoratako ombieny
Ny sori-dalana hizorana?
Efa impiry impiry koa no nahalalako fa ireny
Dia volom-borona hodorana?
Tsy angambaiko, tena marina, 'zay voasoratry ny penina :
Lasan-drivotra, tadio,...
Na ny feoko aza farina, ny foko mila ho latsa-nenina!...
Impiry? Impiry? Tadidio!

...
--------
Rohy:
1127 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Teboka Telo
Nampiditra : kalonantitra
Daty : 24/08/2017 06:55
Antsantononkalo
Nantsain'i
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0105