IZA MOA IZAY IZAHO? - Teboka Telo
Azo vakiana?
Raha izaho no mba poety:
Mpandiam-penin'aingam-po!
Na ny horaka an-tanety, aza,
Ho safo-tsoratro avokoa!
Raha izaho no mpanoso-doko:
Mpikira lokondonkon-tany!
Na ny talana ao am-pisoko, aza,
Ho voatemitro ho akany!
Raha izaho no mpikalo:
Mpiangolangolan'antsam-peo!
Na ny rivotra mandalo, aza,
Voaventiko hiram-borondreo!
Saingy, iza moa izay izaho:
Dontodonton'adin-tsaina!
Ringidrindri-drantsan-taho,
Kiana, lozo-karakaina?
Mombamomba
Mpanoratra : Teboka Telo

Nampiditra : kalonantitra
Daty : 07/06/2017
Mpamangy : 890
Mankafy : 1
Tononkalo hafa
ISAKY...FANADINOANA?
HO INOKO MOA
TAKARIVARIVA INDRAY
VAVAKA
NY VEHIVAVY
FIFIDIANANA
SITRAN-TSY MIODY
EMBONA SY TO!
FOFONA RE ZAO!!!