LEHILAHY MATIM-BAVY (Teboka Telo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Omaly ho'aho nisy vehivavy ankiray,
Jejojejo famindra sy tena milay!
ny zipony fohy, manaitra filàna...
Roboka aho ho'aho ka tena tsy tana,
Nanara-maso no sady nikaoty!
Nizihitra ho azy ny tao anaty kitapo!

Nasaiko izy mba hiaraka tamiko
Fa tsy aritro loatra ilay zavatra mamiko!
Nanaiky ny anao, tsy nandà velively...
Efa fantany anefa fa tsy maintsy hilalao,
Satria, lahy sy vavy no miditra hotely
Sy maka efitrano amizao ora izao.
'Zaho tsy manaiky raha tsy mahatody
In-droa na in-telo vao mankany am-bovo!!!

Natomboka tamin'ny fisotroana labiara,
Dia samy nigoka sy nameno vera!
Ny saiko amizay, tsy mitombona intsony...
Ny tosi-drako: indraindray, ambany, dia ambony!
Izy, mitsotra sy matoritory!...
Io, ny tanako havia, manafosafo ilay fony.
Tsy aritro intsony; ka indro navoaka
Ikotomaladiko, hanentsina goaka!
K'hatramin'ireo vera s'ireo tavoahangy:
Voadona, voadaka ka dia nampamangy.

Reradreraka kely izy ka tafatory;
Izaho, lasa nohodina hanasa an'i Takaka
Ka nony nadio dia afa-tsorisory;
Vetivety, nizihitra tanaty salaka...

Vonona indray ity Rakotomalady,
Vonona hanohy sy hiatrika ny ady;
Ka lasa niverina hamonjy efitrano!...
Ka nony tafiditra: LOZA sy ANGANO!!!
Tsy tao intsony ity Ratovovavy
Fa lasa nitsoaka mba marina mafy
Lasany tao koa ny akanjo rehetra,
Ny pataloha, telefaona ary koa ny poketra!!!
"Tena maty aho Baba, ka maty aho Neny,
Fa loza loatra rehefa matim-bavy"...
--------
Rohy:
1794 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Teboka Telo
Nampiditra : kalonantitra
Daty : 10/06/2016 06:39
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0114