MAHAY MIONONA (Teboka Telo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MAHAY MIONONA!

Ka raha nafoiny aza aho, mahay mionona satria
Mora afindrandrafindra toerana toa ketsa ny fitia!
Raha iray no tsy tia, sioka tokam-potsiny ihany
Dia milahatra ny maro, be dia be ny manontany!

Ka izy lasana nandao sy nihodina nifindra lasy;
Tsy ho ela izy dia hanenina, ho menatra, hangasihasy!
Izaho aza izao no faly sy miedinedina, mibitaka!
"Handroaka, mantsy, saika hatao; soa f'izy no nisintaka!"

"Mahaleova, mahalasàna,... Aza miherika intsony!"
Ireo tso-drano ireo no apetrako, hampiononana ny fony
Efa resin'hala-dia, nalain-kiadana eto an-tratra!

Mandainga izy raha hilaza fa ho hadinony ny lasa
Niarahanay namindra sy niarahanay nikasa!...
Ny foko, efa nionona e! ary sitrako ny ratra!

Teboka Telo (02/12/2016)
--------
Rohy:
1455 2
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Teboka Telo
Nampiditra : kalonantitra
Daty : 02/12/2016 06:59
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0115