Mamon'ny toaka (Teboka Telo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mifamontoana, ary tena tsy tara,
reo mpamonjy bara,
Na voky na noana dia indreny mivoaka
mba hisotro toaka;
Indrindra raha azo lay tambin-karama
dia miantso ny akama
Hiara-mirevy... Ka tsy an-kitaraina
na mandra-maraina.

Avoaka ny vola, atao ny plisy,...
Ny tsaky: saosisy
Sy ny masikita, lasary karaoty,...
Ka mba hararaoty
Fa kaly hariva no indro naroso,
ka fenoy ny sotro
Hameno ny vava 'zay toa mitanoaka
mahita 'ty toaka.

Dia raikitra ary ny fifandomam-bera
fa tonga ny lera
Satria samy tary sy tena mpiakama
no ndreo mikoràna...
Manao gok' omby, tsy mianganongano
fa sao dia tsy mamo
K' ilay botakely dia toa iray minitra
dia lany sy ritra.

Nampiana bota iray sy labiera
rehefa nifampiera;
Ka manga ny resaka sy ny tantara
tanatin'ny bara!
Nanomboka miakatra, toa nisendoatra
ny feo 'zay avoaka,
Fa sambatsambatra sy hitam-bahoaka
ho toy ny any an-koatra.

Dia mifamaly sy mivazavaza,..
Manao hevi-jaza,...
Ny teny ratsy s'ireo ompareny
no lasa fiteny :
Tsy misy henatra, tsy misy fady,...
Ka raikitra ny ady:
Zera tavoahangy, totohondry sy daka
no nameno laka.

Nampalahelo fa rehefa nody
dia saika tsy tody:
Nivilambilana, nandrefy lalana:
havia sy havanana,...
Nangaron-tenda sy nihoakoaka,
namoaka 'ty toaka
Sy ny lasary ary ny masikita
ho kalin' ny alika.

Nangasihasy izy, nony maraina,
satria tonga saina
Fa lasa ny ankizy, tsy hita i Madama :
nandao ny tanàna
Niala nisitak' ity tokantranon'
ny bandy mpimamo
Nanorim-ponenana iray vaovao
tsy misy raorao.

TebokaTelo
--------
Rohy:
2738 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Teboka Telo
Nampiditra : bikabika
Daty : 24/03/2010 05:00
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0097