MIHADY LAVAK'HILEVENANY - Teboka Telo
Azo vakiana?
Mahaontsa, mahavaka
Fa lasa kary koa ny saka;
Ny rano zao efa tangena...
Ka mivavaha, miambena!
Fa maro no efa tia ny tenany!!!
_ Mihady lavak'hilevenany!
Ireo mpitondra fivavahana
Mpitari-dalana, arahana :
Izy ireny indray no lasa
ambenan'ny olona amin'ny asa ;
NY Baiboly no iafenanany!!!
_ Mihady lavak'hilevenany!
Ireo nomena fahefana
hanavotra, hanasoa tanĂ na :
Balarora izao no afafy
Antanin-ketsan'olo-mihafy!
Ny seza itoerany no ambenany!!!
_ Mihady lavak'hilevenany!
'Reo mpananjato, mpanarivo
Lom-pisainana marivo :
Tsy an-kijery ambany izany
Fa izy irery no eto an-tany!
Dia tompoiny reo harenany!!!
_ Mihady lavak'hilevenany!
Ireo tanora, lahy sy vavy
Ninoan'ho antoky ny ho avy :
Mitampi-maso toa soavaly
Fa ny ampitsony, efa omaly ;
'Reo ray sy reny no ifoterany!!!
_ Mihady lavak'hilevenany!
Mombamomba
Mpanoratra : Teboka Telo

Nampiditra : kalonantitra
Daty : 04/08/2014
Mpamangy : 1005
Mankafy : 1
Tononkalo hafa
HO ANARIN'NY FIAINANA!ISAKY...
FANADINOANA?
HO INOKO MOA
TAKARIVARIVA INDRAY
VAVAKA
NY VEHIVAVY
FIFIDIANANA
SITRAN-TSY MIODY
EMBONA SY TO!