NY TSY ITIAVAKO AZY, - Teboka Telo
Azo vakiana?
Bandibandikely izay, toa tsy misimisy saina!
Alim-pody lava izao ka dia tsy mahafoha maraina;
Nialany ny sigara fa novadiany zao ny maina
Ny teny mamy izay nomeny, lasa toloko sy taraina!!!
Raha nilaza izy omaly : "hiova aho", ry Lalaina!
Teny efa reko izany, toa tavin-kena mahamonaina!...
Raha mba eo ny tsy fisiana ka hoe izy no antenaina?
ManantenĂ ny tain-tsokona f'aleo ny kintana no isaina!
Ny tsy itiavako azy koa, rehefa izy, hajahajaina:
Dia mirehak'ho rainazy, toa andriana iray andraina!
Nefa ny atidohany ao, iray grama, raha lanjaina!
Ny tena tsy itiavako azy, nony hatory: "sombinaina!"
Miraraka ny teny mamy sy tambitamby tsy hay lazaina
Nefa ny ao an-dohany ao: mitady vatana ho robaina!
Teboka Telo
Mombamomba
Mpanoratra : Teboka Telo

Nampiditra : kalonantitra
Daty : 11/08/2016
Mpamangy : 1190
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
ISAKY...FANADINOANA?
HO INOKO MOA
TAKARIVARIVA INDRAY
VAVAKA
NY VEHIVAVY
FIFIDIANANA
SITRAN-TSY MIODY
EMBONA SY TO!
FOFONA RE ZAO!!!