OMBAY MITADY - Teboka Telo
Azo vakiana?
OMBAY MITADY E
Mba mamiko toy ny tantely
Lay sipako kely taloha?
Fa toy ny taranak'anjely
Na avy afara io na avy ao aloha!
Io lay sipa nipoiran'ny aiko
Namita lay dom-paniriana.
Nanadala ny foko sy saiko
Handitsaka tao am-pandriana
Saingy, indrisy, tsy hitako intsony!
Fa roso, dia lasa nandao.
Tsisy ady na koa lonilony
Fa nanjavona tsotra amizao§
Ombay mitady rey roy
Fa tsy hitako ity izay hambara§
Nentiny any 'lay entan-tsy foy
Fanaony eo an-doha farafara!
Teboka Telo
Sokajy :
Aingam-panahy, Hatsikana
Mombamomba
Mpanoratra : Teboka Telo

Nampiditra : KALONANTITRA
Daty : 10/03/2015
Mpamangy : 1123
Mankafy : 1
Tononkalo hafa
ISAKY...FANADINOANA?
HO INOKO MOA
TAKARIVARIVA INDRAY
VAVAKA
NY VEHIVAVY
FIFIDIANANA
SITRAN-TSY MIODY
EMBONA SY TO!
FOFONA RE ZAO!!!