PIKINIKA - Teboka Telo
Azo vakiana?
Raha vao maraina, vao mangiran-dratsy
Dia mikonokonona hanomana vatsy ;
Misomebiseby, mamboatra ny bika, ...
Fa nifamontoana hanao "pikinika"
Mofo dipaina, karaoty, lasary, ...
Hena nendasina no ambonim-bary;
Ranom-boankazo natao mangatsiaka
No rano fisotro f'hanao "pikinika".
Indreny mizotra, hamonjy ny namana ;
Mibaby entan-kely, mivimbina an-tanana, ...
Dia mihirahira sy mihiakiaka
Fa fo ravoravo no hanao "pikinika"
Rehefa nigadona, tonga eny an-toerana
Dia avelabelatra 'lay tsihy herana;
Avy dia atomboka ny kilalao
Fa ny "pikinika", io, iaraha-manao.
Ao ny mandihy, mifandray tanana ;
Ka miara-midola, havia sy havanana, ...
Ny hafa indray : fakan-tsary no apika
Ho fahatsiarovana ilay "pikinika"
Ireto mpitovo, mpanao fitamandry,
Mitilitily 'zay ho andefimandry, ...
Manara-maso, mamorona "fika"
Mba hanararaotra ity "pikinika"
'Reo zatra mpisotro sy mpameno vera,
Eny an-dalana hody : tazano! mianjera, ...
Nihevitra mantsy fa tsisy hahita
Ka nigoka 'zay lany amin'ny "pikinika".
Tandremo! Tandremo! Aoka e, ry lahy :
Ny mety ho faty dia ny olona sahy;
Ny mahay milomano no lasan'ny riaka,
Ny fahaiza-mifaly e! No "pikinika"
"Zavatra hita : sakafon'ny saina,
Sakafo atelina, manome aina",...
Ka aoka mba samy handinika isika
Mba tsy ho laza ratsin'ilay "pikinika".
Hevitra mandeha
Nofy2 (05/08/2014 11:07:56)
marn zan!toizo f tsar b dol n tononkalonao!
KALONANTITRA (10/03/2015 07:48:37)
Masoandro Mainty (17/02/2017 10:47:08)
Mombamomba
Mpanoratra : Teboka Telo

Nampiditra : kalonantitra
Daty : 04/08/2014
Mpamangy : 1038
Mankafy : 2
Tononkalo hafa
HO ANARIN'NY FIAINANA!ISAKY...
FANADINOANA?
HO INOKO MOA
TAKARIVARIVA INDRAY
VAVAKA
NY VEHIVAVY
FIFIDIANANA
SITRAN-TSY MIODY
EMBONA SY TO!