RAHA HANOVAOVA IHANY (Teboka Telo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Setrin'ny tononkalon'ny namana Barry Sirjon : NOVAIKO

Novaiko ny anarany, ho lasa hoe "Malala"
Io no hitako fa mendrika, sy tsy manan-tsahala
Tsy ho vizana aho manonona, karazana litera
Ho feo mirindra no re, rehefa mitendry ny lela
"Io" no anarana tsara, tena sahaza ny olon-tiako
Ho fankasitrahako azy: fitarikandron'ny fifaliako

Novaiko hoe "Tiako" ny fanampin'anarany
Hahalalany tsara, sy indrindra hahafantarany:
F'izaho dia tsy misangy, rehefa milaza hoe mitia
Fa miboika ao am-poko lalina, tezaiko haharitra ho doria
Sady ho fankatelemako, ny momba azy rehetra
Ho fisaorako fa mamiko, ny fanahiny sy toetra

Ny foko sy ny saiko, no efa nibaiko isan'andro
Ovay ilay anarana, f'aza dia mangataka andro
Ka n'inona n'inona mitranga, tsy ho raharahiako
Novaiko ny anarany, ho lasa hoe: "Malala tiako"

Barry Sirjon

SETRINY: Raha hanovaova ihany!

Raha hanovaova ihany? Matahotra aho Ndrematoa,
F'indray andro any ho any; io ianao fa hiova koa!
Izaho, ilay Malala Tiana, ho tafajanona hitoetra
Fa handramanao hovaina an'reo mandalo eo rehetra!

Raha hanovaova ihany? Izao no ahiahy keliko:
Hifaram-bodina tangena ity zingana tanteliko!
Hangidy, lavitry ny mamy; hafaitra be tsy hay atelina
"Tsy alohan-datsa f'aorian'ny fananarana ny nenina".

Raha hanovaova ihany? Aleo ny anarako hitoetra
Amin'ny ahy, tsy misy miova. Fa ny fombanao rehetra,
Ireo, ovay mba hahasoa ny fiarahana doria.

Eny, raha hanova ianao; todiho ny lasa, atreho ny anio
Fa ny foko tsy mba niova fa tena anao madiodio!
Tokam-po toa ny siny ka rehefa tia, dia tena tia!

Teboka Telo
--------
Rohy:
1325 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Teboka Telo
Nampiditra : kalonantitra
Daty : 11/08/2016 14:32
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0158