SAMBATRA, ENY, SAMBATRA! (Teboka Telo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mba sambatra, eny, lahy ka sambatra
Iny peninao iny:
nofejain'ny tananao;
Nizaranao ny alahelo,
Vetsom-po, tsiambaratelo,...
Notantarainao azy iny, ireo hakanton'ny fahiny,
s'ireo kalo mbola vao,...
Fa sambatra izy, tena sambatra
Satria ny fonareo mitambatra!

Mba tretrika, eny, lahy ka tretrika
'reo loko maro izay nahosotra
'reo sangan'asan-tananao:
Namoaka tsisy ahiahy
'reo vetsom-po, aingam-panahy,...
K'ireo ana sy nijaly tonga ravo, tsy mba sosotra,
ka mamelovelo! Injao :
"Mba satriko aza, avy ao am-poko,
raha ny rako no mba loko!"

Mba safononoka, eny, lahy
'reo nodiavin-tongotrao,
n'aiza, n'aiza eran-tany,
Fa nodiavina harena,
Vatosoa sy volamena,...
Ho lafatra aho sady ravo raha toa ka mba izao :
Ny foko no ho lasa ankanin'
Ny hain-teninao sy angola,
Harena tsy voavidy vola.

Fa sambatra, eny, lahy ka sambatra
Ny maty izay namela mamy
tamin'ireo solofo, dimby,...
Ho tsaroana, ho tantara
ho an'ny zanaka amam-para...
Ka ny fasany: voamboatra sy hanerana ny tany!
Satria ny fon'ny mpankafy
No hilevenany doria!
Mandria am-piadanana.

Teboka Telo 11 Septambra 2008
Ho fanaovam-beloma an'i RADO
--------
Rohy:
1386 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Teboka Telo
Nampiditra : kalonantitra
Daty : 24/08/2017 11:06
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0099