Samy manana ny lerany (Teboka Telo)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Raha vao maraina, vao mangeto-boay, dia io RainikotoFa mailamailaka sy miolomay, satria olo-mazoto:
Milanja ny angady, hamonjy ny saha s'ireo tanimbary;
Dia ireo fambolena tsy mena-mitaha amin'ny an-dRainibary.
Raha vao miposaka indray ny masoandro dia io Mamalisy
Manomankomana kely nahandro sy laoka saosisy,
Entiny hamidy eny amoron'ny lalan'ny fiaraha-monina:
Hakana tombony kely hihinanana sy mba hangonina.
Injay fa amin'ny valo! Mipaika ny lera! Manao : "ndao, ndao!"
Ora fidiran'ny faonkisionera sy mpiasa birao...
F'ireto mpitsabo s'ireo mpampivelona kosa amin'izany
'Zay niandry raharaha nandritry ny alina: hamonjy ny ankany.
...............................................
Fa rehefa hariva sy mangingina 'ndray ao an-tanàna,
Dia indreny mivoaka, mandao ny fandriana : ho eny Tsaralalàna
'reo mpanara-maizina : be lokomena sy be makiazy,...
Hivarotra kely ny an-dilan'ny tena sady manala azy.
Mikitroka ny alina, maizina koa : efa ho amin'ny folo!
Dia indreny mivoaka ry Ranenintoa arahim-borondolo...
Mihaodihaody, miandry izay mody, hataony soavaly
Sy hoharonim-bava ary homem-panafody mba handao ny tany!
--------
Rohy:
Sokajy :
fiainana
Hevitra mandeha
Nofy2
(
05/08/2014 11:03)
nivoak tsar mht le tinao lazain!ok!